You are here: home > Vetso

FIAINAKO... - andriafa

Azo vakiana?

Nijanona minitra vitsy aho
mba nandinika ny fianako,

Eh...! hoy aho nisento lalina
'reto taona efa nandalo,
toa tsy nitondra hafaliana
fa nankarary, nampimalo.

Dia nitambolona tsy nahy,
nibosesika ao an-doha
irony kaikitry ny lasa
'zay mba tiako ho hadinoina,
Tako-pery te ho maina
maharary fa voatohina

...

Dia nitsororika tsy tàna,
ny ranomasoko nijohy
nanorika ny tavako
Tsy haiko noraràna,
fa manao tampody fohy
'rony ratran'ny lasako

....
Dia nisento aho,
nisento fanindroany
....


Adriafa
25.09.08

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : andriafa

Nampiditra : fanoandria
Daty : 28/09/2010
Mpamangy : 948
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RESATSIKA
KISENDRA
MBA...
RESY AHO
TENY FARANY...
TAHIRY
IMASONAO...