Raha toa ka ... (andriafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka misy tsiahy,
mitamberina tsy nahy
noho ny sompatra sy ankaso
ka mahatonga ranomaso

dia avelao ihany hitraho
aza tànana akory
hanakotsa ny ondanao
'reo ranomaso anaty tory.

...

Raha toa ka mitamberina
ireo lasana efa dila
... na ny omaly efa levona
... na ireo diary efa kila

Avelao handeha ihany
aza ferana na kely
ho any ankoatraotra any
ny eritreritrao hiery...

Raha toa ka misy izany
dia mitomania ihany...

... nefa izao no tadidio,
"fa ny faharesena omaly,
hody tanjakao anio"

Andriafa
2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
44 1
Mpakafy: fanoandria
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriafa
Nampiditra : fanoandria
Daty : 23/04/2024 07:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146