RESY AHO (andriafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
Afoiko ianao r'ilay Iarivoko
r'ilay Iarivo niriariavako.
Afoiko ianao ka tsy ho tsiahiviko
fa nadratra ny fiatiavako.

Ny fandaozako anao
no taratry ny fahareseko.
Na dia mamiko aza ianao,
mamoy anao no fahendreko.

....

Fahatsiarovana e! no sisa
hitambololona ao an-doha.
Ny vetsovetso no hitanisa
'reo ora mamy tsy hanindroa.

....

Afoiko ianao f'izay no mety,
Afoiko ho mandrakizay.
Veloma tsy ho vetivety,
mandratra fo, mavaivay.

Veloma ianao, veloma ihany
r'ialy Iarivon'ny fitiavako.
Resy aho ka hitomany
hisento am-po, f'izay no anjarako.

....
Hilofika aho fa resy loatra
Ny sompatrao toa tafahoatra

Resy aho, Resinao

Andriafa
14/10/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1509 0
Hevitra mandeha
fanoandria ( 28/09/2010 08:37)
Aza tsiniana fa setom-po no tafahoatra, ka nandiso ny tsipelina

"veloma ianao, veloma ihany
r'ilay Iarivon'ny fitiavako"

M'saotra mankafy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriafa
Nampiditra : fanoandria
Daty : 28/09/2010 08:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158