You are here: home > Vetso

KISENDRA - andriafa

Azo vakiana?

Kisendrasendra angamba
ny masoko sy ianao
nifampitopy tos tsy nahy.
Fa tselatr'afo nahazo vanja
ny tao anaty tao
ka nampiainga ny fanahy


Angamba koa mety ho tsy nahy
'lay molotro nitsiky
niantefa taminao
Fa toa nadrisika ahy ho sahy
hamoaka ny nifify
am-poko lalina ao

Dia mbola ho kisendrasendra
hoy ny any an'eritrao
l'ay aho namboraka fitia
...
Ny ahy fitia efa voasedra,
tsy hatao kilalao
fa iriko ho doria.

Kisendrasedran'ny fitia
Kisendrasendra zary tia.

Andriafa
2001

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : andriafa

Nampiditra : fanoandria
Daty : 28/09/2010
Mpamangy : 840
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

RESATSIKA
MBA...
FIAINAKO...
RESY AHO
TENY FARANY...
TAHIRY
IMASONAO...