RESATSIKA (andriafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tafaresaka tsy nahy
izaho sy ianao
indray hariva izay

fa nahavariana anao
ny nahita ireto
tovovavy maromaro
feno haravoana
sy lanaky ny hehy
"Angamba hoy ianao
tsy mba marary ireny,
fa hafaliana hatrany
no iainany eto an-tany."
Nefa hoy aho : "Diso ianao,
fa ny tsikin'izy ireny
dia mifono zava-dalina,
ka ny ketoky ny jaly
noho ny omaly nankarary
no ezahiny afenina
sy iniany hadinoina.
Ka dia mitsiky izy,
miezaka mifaly
mba hanadino izany."

...

Dia variana koa ianao
nahitaity tovolahy iray
revo sy sondriana ery
mihira irery an-dàlana eny.
Dia hoy ianao hoe: "Sambatra izy"
...
Nefa ny tsy fantatrao
dia 'reny hirany ireny
no nataony hanindriany
ny fitroatran'ny adi-tsainy
mahery vaika tsy hay tohaina
noho ny omaliny ihany
Ka dia miezaka izy
mba hanafina izany
Koa setom-po no tonga hira
haneseny ny tomany

....

Dia aza gaga ianao
raha hilazako
fa ny olona rehetra anie
ka mitondra fijaliana
fa ezahiny afenina
ao anaty fitsikiana
mba tsy hisoritra ivelany
ny alahelo sy taraina
f'izay no atao hoe miaina.

Andriafa
27.09.08
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1072 1
Mpakafy: fanoandria
Hevitra mandeha
Soarilala ( 01/10/2010 09:03)
Tena marina mihintsy izany.Izay ilay fiainana ka tsy atao hahakivy. Fa raisina am-pitsikiana izay mitranga sy miseho satria mamy ny miaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriafa
Nampiditra : fanoandria
Daty : 29/09/2010 10:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141