You are here: home > Vetso

MBA... - andriafa

Azo vakiana?

Mba ampindramo ahy
raha azonao atao
Hamelombelona fanahy
Irony tsikinao

Mba omeo mba ho kaloiko
na dia sombitsombiny ihany
Irey hiranao tsy foiko
haneseko ny tomany

Mba omeo fa ho hajaiko,
ho koloiko, ho lalaiko
'lay fitiavanao ry aiko
ary ianao ho SOMBIN'AIKO


Andriafa
2002

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : andriafa

Nampiditra : fanoandria
Daty : 28/09/2010
Mpamangy : 840
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

RESATSIKA
KISENDRA
FIAINAKO...
RESY AHO
TENY FARANY...
TAHIRY
IMASONAO...