Zandry a..., (andriafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry a,
Aok'izay ny alahelo,
dia fafao ny ranomaso...
F'io fiainana io na helo,
noho ny vaikan'ny ankaso
...
Tsy maintsy ho avy ny maraina
mbola hamelombelon'aina

Zandry a,
Atrakao indray ny loha,
na ho sarotra aza izany.
Dia banjino ny any aloha
... atsaharo ny tomany,
...
Ny ady anie tsy mbola vita,
raha tsy tonga ery ampita e!

Zandry a,
...
Zoky a
Vizaka aho...
vizaka ny nitady,...
Nifofotra, nively vy...
Tena niezaka niady,
ho tody ery ampita.
...
F'angamba tsy natao ho ahy
ny ho tafita ohatran'ialahy.

Zoky a,
Aza tsiniana aho raha tomany,
na hoe... ho kivy ambony ihany
fa n'inon'inona natao
hananam-piainana vaovao
...
dia toa rivotra nokomondroina
... fa tsy namaly izay natsoina

Zandry a,
'zaho anie ka teo no niainga e!

...
Tao anaty lavaka aho
no niezaka, nivoaka.
Ratra, fery sy talaho
no nanosika ahy hitroatra
...
Tsy izao akory no anjara,
na koa hoe vintana tinendry.
F'afaka ho hafa ny tantara
raha zay no zavatra kinendry.

Mitomany ilahy anio,
mahatsiaro tena ho irery.
Fa io faharesena io
... ka afaka ovaina ho "Hery"
hoenti-miatrika indray
'reo ady sesilany !
.. na Fandresena am'zany,
ho mamy tsy hisy fiafarany.

Zandry a,
Mahereza, Ndao miady !!!

Sikino ny herin-tsaina
Vimbino ny herim-po
Ny anjaranao alaina
Mitomboa Hasina ho SOA

Andriafa
Fév 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
56 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriafa
Nampiditra : fanoandria
Daty : 23/04/2024 07:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207