Adinoy izy! (Andriamihaja Johan (H-mainty))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADINOY IZY!


Adinoy izy fa tsy anjaranao, adinoy any dia soloy vaovao
Adinoy izy aza asiana resaka, adinoy any, adinoy tanteraka

Atrakao ny loha androany
Atrakao ataovy ambony
Dia atsaharo ny tomany
Aza averina intsony
Reo alahelo tsy omby tratra
Soloy tsikitsiky kely aloha
Sao ho potika haratra
Sy ho torotoro zany fo

Tsy atao mahakivy izany
Nde fafao ty ranomaso
Aza adino f’eto an-tany
Dia fonenan’ny ankaso
Namako ianao matsy
Ka tsy foiko hitomany
Fa toa voatsindron’antsy
Zaho raha mahita zany

Teny tsy mba mihambahamba
No atolotro anao
Raha tena tia izy angamba
Tsy hampirafy toy izao
Ho hitanao aoriana any
Zay indray dia teniko
Izy indray no hitomany
Sy hiteny anao hoe neniko

Ka adinoy izy e! fa tsy anjaranao, adinoy any dia soloy vaovao
Mbola misy koa ny tsara, mbola misy tsy ho lany
Ary tsy mba lany zara, raha samy eto an-tany


A.L.J
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2855 0
Hevitra mandeha
Nyaritra ( 22/04/2008 11:48)
tsy ratsy mintsy le aingam-panahy an!mampiakatra morale tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098