You are here: home > Vetso

Nofy - Andriamihaja Johan (H-mainty)

Azo vakiana?

Nofy

Toa reko mitroatra ao anatiko ao
Fitiavana tsy haiko lanjaina, mahafanina
Indrindra rehefa tojo amin’ny masonao
Ilay fijeriko mangalatra, sao tratra.

Efa hatramin’ny ela no niotrika tao
Fa nohezahiko ihany nafenina
Tsy napoitrako mihintsy sao
Hiomehezanao ka handratra

Fa naleoko nionona mangina
Amin’ny nofinofy teny ihany
Nofinofy tsy misy mpanakiana
Ao antsaiko ao misandratra

Mino aho fa any andro iray
Tsy ho nofy intsony izany
Fa hiainako tanteraka raha sitraky ny Ray
Ka ho toa ihany ilay niriako fatratra

Ka Izaho sy ianao indray
No hiara-hanofy mamy
Hitsiry elatra ami’zay
Ka hisidina ny tany

          A.L.J

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

eh (17/10/2005 13:01:10)

tsara tokoa ilay nofy ! ho tanteraka tokoa ny nofinareo...

Hametraka hevitra

Midira aloha