'lay fitiavanao - Andriamihaja Johan (H-mainty)
Azo vakiana?
'Lay fitiavanao
Ts foiko ho adinoina
Isan’andro isan’ora
‘lay fitiavanao ahy
Mahababo ny fanahy
Mampitsiky ahy tomany
Mampisinda irony jaly
Mampitraka ahy raha valaka
Manafaka ahy anaty lavaka
Ka ifonako aminao
Reo hadalana izay fanao
Fa mahatsapa tokoa aho
Fa mamy ilay fitiavanao
K’irony haditrana irony
Tsy ho averiko intsony
Fa nampijaly anao
Ho soloiko fitia vaovao
Ho soloiko tena fitia
Ho anao doria doria
A.L.J
Sokajy :
Eritreritra mandalo, Fitiavana
Hevitra mandeha
zoky (14/04/2008 11:28:18)
johan (15/04/2008 07:18:16)
Mombamomba
Mpanoratra : Andriamihaja Johan (H-mainty)
Nampiditra : johanDaty : 14/04/2008
Mpamangy : 2360
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Miandry foana ...Tu vas me demander....
Matokia
Tsingerin-taona
Omeo tsiky kely aho.....
Volana ô meteza!
Adinoy izy!
Parles-moi!
Nofy
Fisentoana