You are here: home > Vetso

Tsingerin-taona - Andriamihaja Johan (H-mainty)

Azo vakiana?

Tsingerin-taona

Koa indro tonga ary anio,
Lay nandrandrainao hatry ny elà
Dia tsaroy sy tadidio
Ataovy rakitra tavela

Ny tanako tsy ho torovana
Hamela diam-penina
Ho mari-pahatsirovana
Tsy hety ho lavenona

Taona iray no niampy
Taona iray no lasa
Ny fahazazanao ampy
Ny tsara atao fikasa

Roampolo taona zany
Efa olon-dehibe
Ka aoka izay ny hanihany
Ny adalana aleo hande

Ity misy teny avy ao am-po :
Homba anao anie ‘lay Ray
Manaova fety soa
Dia amin’ny heritaona indray

Dia ampiarahako azy
Oroka ao antsaina
Voninkazo anaty vazy
Hamelombelon’aina

               A.L.J.
              18-06-06

Sokajy : Tsingerin-taona

Hevitra mandeha

fiaritiana (19/06/2006 20:00:29)

misaotra betsaka o!!

johan (20/06/2006 14:30:55)

tsisy fisaorana eh!

Hametraka hevitra

Midira aloha