You are here: home > Vetso

Omeo tsiky kely aho..... - Andriamihaja Johan (H-mainty)

Azo vakiana?

Omeo tsiky....


Omeo tsiky kely aho
Rehefa iny vao maraina
Ho taratr’andro vaovao
Hampamiratra ny saina

Omeo tsiky kely aho
Refa mba ande hiasa
Mba hanembonako anao
Fa sanatria tsy ny hafa

Omeo tsiky kely aho
Raha tonga indray ny hariva
F’efa reraky ny natao
Ka ny feoko aza iva

Omeo tsiky kely aho
Dia antsoy hoe avia
Rehefa iny izaho sy ianao
Fa miray, manao fitia

Omeo tsiky kely aho
itsikio raha azo atao
dia asetriko izany
hitsikiko koa ianao…

            A.L.J.
            06-06

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

fiaritiana (20/06/2006 15:45:06)

henoy àry aho fa hitsiky e!!

vetsoko (22/06/2006 16:31:47)

omeko ianao fa gratuit ny tsiky

ramalagasy (25/11/2006 03:12:12)

Tsy aleo ve mba samy manome e, amin'izay tsy mitongilana ny vilany

Hametraka hevitra

Midira aloha