You are here: home > Vetso

Matokia - Andriamihaja Johan (H-mainty)

          
Tsy ho adinoko ianao
Ary koa ny fahiny
Na hisolo vaovao
Aza iny lanitra iny

Fa hitoetra ao am-poko
Ka isan’andro ho tsaroako
Tsy ho fafako, tsy ho vonoiko
Tsy ho ariako, tsy ho lotoiko

Fa fitia tsy mety ritra
No itiavako anao
Tsy mety rovitra sy triatra
Tsy atakalo vaovao

Lay nolazaiko taminao
Indro averiko eto indray
Matokia fa izaho
Ho tia anao mandrakizay


         A.L.J

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

tia (19/11/2006 16:59:34)

hatolotro ho an'olona iray izay io

johan (20/11/2006 14:34:37)

tia : tsy maninona kah!

ramalagasy (25/11/2006 03:18:22)

Marina zany e, miombo-kevitra aminao aho

Hametraka hevitra

Midira aloha