AFOIKO TSOTR'ZAO! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AFOIKO TSOTR'ZAO

Efa nohadinoiko avokoa:
ireo zavatra taloha.
Ka naleoko aloha nangina;
Raha nolavina tsy tiana.

Efa najanoko avokoa:
zay zavatra tsy hahasoa.
Fa naleoko niova fiainana;
tsy hanimba ny fisainana.

Efa tsy tiako ho re intsony:
ireo teny mafy tsy mampitony.
Ka aleoko miova hafa;
raha izay no hahatafa.

Efa leo ady zany saiko:
ka mila hanaraka ny aiko.
Ka aleo tsy miteny intsony;
raha izany no hampitony.

Efa reraka ny foko:
mihaino tabataba mampitoloko.
Dia aleoko mionona amin'zao;
miezaka manadino anao.

Efa leo ny fanahiko:
Miady foana amin'ny ahiahiko.
ka aleoko mihitsy irery;
na dia hangina tsy hisy mpijery.

Raha vaonkazo tsy hatoy:
aleo ajanona sy afoy.
Toy izay hanan-dratsy;
ka hijalijaly sy hihafy.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
1262 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014