NY FOKO, NY SAIKO... (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny saiko na dia be kirina
dia mahay mionona rehefa tsy tiana.
Tsy hitomany fitia izay tsy ho anjara:
fa mahay mandefitra sy miala.

Ny foko na dia hoe adala
dia azoko tenenina sy rarana
tsy hivarilavo na koa hikomy
fa mahay milamina sy mitony

Na dia irina aza ny hiara-droa
rehefa tsy mifanaraka dia mizara roa
Io fitiavana io koa tsy misy an-tery!
fa sitrapon ny samy irery.

Tsy izaho mihitsy no handeha hikasa!
hanakana ny sitrapon ny hafa.
Zon ny hafa ny manao izay tiany;
rehefa izay no faniriny.

samy manana ny fisainany,
samy miaina ny fiainany.
samy manana ny fony.
samy mijinja izay sitra-pony.

tsy misy mihitsy ny ahiahy
satria ny foko manaraka ahy
izay misy ahy no misy azy
izay misy azy no misy ahy

N inoninona zavatra atao
ny saiko tsy any aminao
izay misy ahy no misy azy
izay misy azy no misy ahy

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Fitiavana
2368 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRINIAINA1
Nampiditra : ANDRINIAINA1
Daty : 07/12/2015 12:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311