Namana (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namana ve?

Namana hono ka namana
Rehefa sendra hoe mana-manana
Fa rehefa sahirana odian-tsy hita
Ilaozan-drery eo rehefa sendra misy mba tafita.

Namana hono ka hoe namana
Nefa tsy mba izarana izay ananana
Rehefa mahazo mihinan-drery
Nefa mila vonjy rehefa tery

Namana eh, namana
Nefa tsy hita akory izay fanomezan-tanana.
Tondroina molotra rehefa lavo
Raha sanatria nisy izay nahazo

Aleo tsy misy raha izany
Fa mankarary fo fotsiny ihany
Aleo irery toy izay maro
Nefa be fahavalo

Dia milaza ho namako ianao hoe namako
Nefa ialonanao izay mba kely ananako
Anovanao resaka izay mety fiainako
Nefa ianao tsy nitarainako

Lazainao fa be fiseho aho raha mba mivoatra kely.
Raha mba miezaka sy mioitra tsy ho very
Fa tianao hanao ahoana moa ny fiainako?
Nefa ianao io tsy nitarainako.

Ny ahy ny namako nirariko soa,
Nentiko ambavaka ho tody soa.
Tiako hahazo izay iriny,
Tiako hiaina izay tiany.

Ny ahy ny namako satriko ho faly foana
N'inoninona manoloana
Ary tiako izy ho feno fahasoavana
Ka hahita hahazo izay tadiavina

Mivavaka ho anao aho ry namako
Fa ny fifalianao no fiadanako
Ka n'inoninona no hananako
Ianao foana no ho namako

Na hahantra ianao na hanana
Ianao io efa namana
Asakasakao izay hanavaka
Fa raha izaho dia hitondra ambavaka

Andriniaina1
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Aingam-panahy
2871 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118