Tiako izy! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy iny ngeh no tiako!

Efa hoe izy iny ho ah no tiako;
Raha tsy ianao io no nofidiko.
Izaho ngeh no mahalala:
Raha nisafidy azy ho malala.

Fantatro loatra izay ato anatiko;
Mivaivay mila tsy ho tantiko.
Ka na hitsara ianao na na hanome tsiny;
Dia tiako foana izy iny.

Na hangidy na ho mamy,
Na hijaliako ny miaina izany.
Dia izy iny no efa tiako
Ka tsy raharahiko izay fijaliako.

Misy zavatra itiavako azy:
Tsy mba ataoko vazivazy.
Mampiavaka azy amin'ny maro
Hisongadina tsy hifangaro.

Toy ilay zavatra itiavanao ahy manokana
Satria hainao sy hitanao ho tokana.
Tsy taratrao amin'ny zovy
Fa miavaka mihitsy tsy hitovy.

Dia hoatr'zany ilay fiavako azy iny
Ka aoka ianao tsy hanome tsiny.
Fa na izan'iza hanakivy
Dia ho tiako foana hoy aho izy.

Tsy azon'iza hafa hovaina ny amin'izany
Raha tsy hoe izaho irery ihany.
Satria ny foko sy ny saiko
No mahalala izay ilaiko.

Fa tiako hoy aho izy iny:
Ka tiako koa izay tiany,
Hajaiko izay safidiny,
Ekeko izay didiny.

....

Andriniaina1.
--------
Rohy:
2774 1
Mpakafy: ANDRINIAINA1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144