You are here: home > Vetso

IANAO IO! - ANDRINIAINA1

Azo vakiana?

Ianao io!!!


Ianao io ve tsy mahatsapa;
fa tsy nahay nitady hafa:
raha tsy misy nanahirana.
ka rehefa kely mba nosoavina;
de mba miseo miavonavona:
manao fijery misopirana.


Ianao io ve mody adala;
fa mazana tsy te hahalala:
rehefa mba tafakatry ny avo.
ka rehefa kely mba nambinina;
de mitady hanao tsinotsinona:
manao tsindrio fa lavo.


Ity fiainana eto an-tany:
mivadibadika ambony ambany.
mbetika mangidy, mbetika koa mamy.
Mety ho tsiky sy hafaliana, mety ho fahoriana sy tomany.


Hainao tsara ny miresaka amiko :
rehefa misy ny taraina!
Fa tsy hainao akory ny milaza amiko:
rehefa azo izay ilaina!


Tsy mampiova anah anefa izany;
raha mbola tany koa ny tany:
ianao io no sasa-poana;
fa izahay hivoatra foana.


Andriniaina1.

Hametraka hevitra

Midira aloha