ALINA (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALINA!

Ny alina mangina,
nahitako fitsikiana!
Nahatsiarovako anao,
Nanembonako anao.

Alina mamy,
Tsy mbola nisy toy izany;
Ny andro lasa rehetra.
Ka tiako mba hitoetra.

Tiako ny endrikao,
Tiako ny fitsikinao,
Tiako ny fijerinao,
Tiako tsy handao.

Zary sary masaka ao an-tsaiko!
Mamiko, tiako, lalaiko!
Izay hitako manontolo;
Ka tiako ho tontolo.

zary nofy mamiko ao am-po!
tiako haharitra, hitoetra: tsy ho lo.
fa ho ao anatiko lalandava,
N'inoninona hitranga.

zary ventsoko ao anaty,
tiako ho velona,tsy ho faty.
Manentana, manainga, mamporisika ahy.
Mambabo fo, saina, fanahy.

Alina mangina;
Nahitako fifaliana,
nampisy fitsikiana;
iny alina iny.
Fa nanembonako anao,
nahatsiarovako anao,
Nahalalako ny fitiavako anao.
Ka tiako hitoetra, tsy handao.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
1976 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142