AMPY HITIAVAKO ANAO! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy hitiavako anao.

Ampy hitiavako anao.
Ny fahendrena amin zavatra atao.
Ny fiezahana hivoatra hatrany.
Hikatsaka ny soa sy mamy.

Ampy hitiavako anao.
Ny tsikinao tsy mety mandao.
Ny faherezana amin ny zavatra rehetra.
Ary koa ny fahaiza-mitoetra.

Ampy hitiavako anao.
Amin ny zavatra rehetra atao.
Ny toetra tsara anananao.
Ka iriko tsy handao.

Ampy hitiavako anao.
Ny endrik Andriamanitra ao aminao.
Ka hivavahako tsotr zao
Tsy hiala eo aminao.

Tiako ianao
Iriko ianao.
Mamiko ianao.
Ka hereziko hatrany.
Tsy ho kivy na hitomany.
Mandritr ity fiainana eto an-tany.
Fa hiezaka lalandava,
Hampamiratra hisava,
N inoninona hitranga.

Matokia izany tiako.
Fa ianao tsy hariako.
Satria ilay nofidiako.
Miezaha sy mahereza foana.
N inoninona fotoana.
Fa izaho eny foana.
Tia anao...

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
1264 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151