Ampy ho anao! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy ho anao!

Ampy ho anao ny fahasoavako:
Hoy ny Tompo re rahavako!
Mamiratra ho anao ny tavako;
Satria mitoetra aminao ny fitiavako.

Ampy ho anao ny fahasoavako;
Raha iainanao ny fitiavako:
Ny alahelonao ho savako,
Ny ahiahinao ho ravako.

Ampy ho anao ny fahasoavako;
Raha banjininao ny tavako.
Hitoetra ao aminao ny fahasambarako:
Satria momba anao ny tanako.

Ampy ho anao ny fahasoavako;
Hoy ny Tompo re rahavako!
Manjaka ao aminao ny fiadanako,
Satria anao avokoa zay ananako.

Ampy ho anao ny fahasoavako;
Ka mitoera @ fitiavako
Dia ho ao am-ponao ny fiadanana,
Ary koa koa ny fahasambarana.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1397 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144