ANDRO (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRO!

Mazana heno andavan'andro,
Ny teny hoe "handany andro!"
Fa maninona "ny andro" no ho laniana:
Amin ny zavatra tsy irina??


Maninona ny andronao
No laniana amin ny kilalao??
Ka na tsy hitondra soa aza izany;
Dia tanterahana eny ihany.
Fa na ho afaka aza izay manorisory;
Dia tsy hamafa na hanala izay mahaory.

Fa ahoana ny herinao no laniana??
Amin'ny zavatra tsy tiana,
Amin'ny zavatra tsy maharitra;
Nefa vitanao ihany ny niaritra.
Tsy misy natao tsy ho vitanao;
Rehefa hotanterahinao.

Sarobidy ny fotoana:
N'inoninona manoloana:
Manorena zavatra maharitra,
Ary miezaha ho finaritra.
Araraoty hanaovan-tsoa;
Ireo zava-maro sarobidy sy soa
Omen'ilay tsy toha:
Ny hery, ny fahasalamana, ny andro...

"Aza mandany andro...!"

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
1094 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139