ANJARA ! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anjara!

Tsy nisy aloha nahalala,
Zay ho vady na ho anjara.
Fa ny fandehan'ny tantara
No mety nanambara.

Ny anjara hono tsy midify,
Fa vodi-tsobika aza manan-tandrify.
Rehefa sitraky ny avo dia tafaraka;
Fa na mpifankatia aza mety hisaraka.


Raha mba fantatra mialoha,
'Zay zavatra hahavoa;
Dia angamba nosorohana avy hatrany
Saingy indrisy fa tsy zany.

Misy ratsy fiandohana,
Nefa tsara fiafarana.
Misy koa indraindray
Ny mifanohitra @zay.

Iaraha-mahalala;
Fa ny fiainana koa mazana:
Tsy dia mandeha @zay ilaina,
Ka mahavaka ny saina.

Ny mora kivy aloha tsy mety
Fa mba tokony hiezaka, hitety:
Ny zava-misy iainana,
Eo @tontolon'ny fiainana.

Tadidio lalandava,
Fa n'inoninona hitranga:
"Andriamanitra tsy mandao;
Fa eo foana: anilanao.

Ka na iza ho namanao,
Na iza koa handao:
Mijoroa hatrany,
Fa tsy maitsy mandresy ihany.

Dia aza atao kilalao.
'zay rehetra atao.
Mazotoa ary aza kivy.
Manatontosa ny adidy.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1658 0
Hevitra mandeha
mymi ( 03/03/2011 11:17)
tsisy teny betsaka olazaina afa tsy ny oe " misaotra " tena tsara fa toizo atrany,
de mirary soa e!
mymi ( 03/03/2011 11:17)
tsisy teny betsaka olazaina afa tsy ny oe " misaotra " tena tsara fa toizo atrany,
de mirary soa e!
onitrakely ( 14/03/2011 09:20)
indramiko ny tenin'i Rado hoe "mpangalatra maha tee ho tia ianareo mpamoron-kira.... angalaro ihany ny ao anaty foko"
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116