You are here: home > Vetso

AVELAO AHO HITIA! - ANDRINIAINA1

Azo vakiana?

Avelao aho hitia!



Avelao aho hitia anao:
Amin'ny zay rehetra atao.
F'aza lavina na rarana;
Sao sanatria hanao hadalana.


Avelao aho hankafy:
F'aza ambitambazina fiti.
Sao tapa-kevitra hiova;
Ka hamoy anao vao ho loza.


Avelao aho mba hifaly:
Eo anilanao na hijaly.
Fa raha tairinao eo ngeh ny ditrako;
Ny handao anao mety ho vitako.


Avelao ny foko ho tiana anao:
F'aza atositosikao.
Fa raha mitroatra eo ngeh ny saiko;
Ny handao anao mety ho haiko.


Avelao aho hisafidy:
Na ho mamy na hangidy.
F'aza akivina tsotr'izao;
Ndrao ho lasa ka handao.


Avelao aho hijanona:
Ary aza de odiana fanina.
Ndrao hanenenanao ny zava-misy,
Rehefa tsy ho eo intsony fa nidify.


Avelao aho hitia:
Ary koa hankafy.
Raha misafidy tsotr'izao;
Ny hiaraka aminao.


Aza rarana na koa ariana:
Atositosika tsy tiana.
Sao sanatria hanenenana;
Ny hambom-po diso toerana.


Andriniaina1.