You are here: home > Vetso

AZA...! - ANDRINIAINA1

Azo vakiana?

AZA...!

Aza mba be avonavona,
Rehefa tiana sy tiavina:
Sao sanatria hanenenana;
Ny hambom-po diso toerana.

Aza dia tia manambanimbany,
Rehefa mba nambinina aok'zany:
Sao sanatria ka hitomany;
Raha toa ka ratsy no hiafarany.

Aza tia mangaringarika,
Rehefa misy zay tsy aritra:
Sao sanatria hanenenanao;
Raha toa ka hivaly izay natao.

Aza tia fosafosa,
Raha mba sendra kely niavosa:
Sao sanatria tsy hahazaka;
Rehefa ny hafa koa no tafa.

ANDRINIAINA1

Sokajy : fananarana

Hametraka hevitra

Midira aloha