AZA TOMANY (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA TOMANY!

Aza tomany:
Izany havako izany!
Fa izaho akory tsy aiza!?
Fa mbola eto ihany

Tsy very aho na nanadino;
Ka aoka ianao mba hino:
Fa tsy maitsy mihaona!
Raha mbola misy ny fotoana.

Aza malahelo:
izany namako etoana!
fa izaho akory tsy nihelo!
Fa mbola eto foana.

Tsy lavitra aho fa akaiky;
Ka aoka ianao mba hiaiky:
fa raha mbola eto an-tany!
Dia tsy maitsy hiaraka ihany.

aza very toky:
Izany olon-tiako izany!
Fa mba aoka ianao hatoky!
Ka hahery hatrany.

Tsy irery ianao akory;
Fa misy mahatsiaro!
Koa aza oriory,
Amin'ity fiainana mandalo.

Aza kivikivy!
Izany malalako izany!
Fa mbola maro ny adidy:
Miandry antsika eto an-tany.

Tsy maitsy tafita sy tody!
Izany foana no tsarovy:
koa mitafia fanantenana!
F'aza de mihanahana.

Biz à toute les "Andriambavilanitra!"

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
2124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015