FAHAFATESANA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahafatesana!

Zovy moa no tsy hihorohoro!
Rehefa sendra ny tontolo:
Isehoan'ny fahafatesana:
Fa tena mafy sy mavesatra.

Zovy ve no tsy hahalala!?
Rehefa hiaina ity tantara;
Fa mikorontana ny saina,
Ka mila tsy ho zakan'ny aina.

Anjara lahatra ho an'ny miaina rehetra
Amin'ny fotoana tsy voafetra;
Izany fahafatesana izany
Ka Ny maso no tomany
Ny fo no malahelo
Satria ny fahoriana no mihelohelo.

Aoka anefa isika hino,
Ary koa tsy hanadino;
"Fa ny tsy anaovana ny ratsy:
Dia ny fanahy tsy mety maty."

Aoka isika hahalala:
"Fa ny anaovana ny tsara:
Dia ny hiadanan'ny fanahy,
Tsy ao anatin'ny ahiahy."

Ny vatana no mety simba,
Fa izay natao no mitoetra.
Koa mahaiza re mamindra.
Mandritry ny fiainanao rehetra.

Manaova koa ny marina;
Satria ny soa atao mampilamina,
Fa ny ratsy atao eto an-tany;
Mampitebiteby hatrany.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
4540 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148