Fantatro sy inoako! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatro sy inoanko!

Tsapako isan'andro;
Na alina na atoandro:
Fa mpamonjy IZY Tompo:
Na jentilisa na mpanompo.

Tsapako lalandava;
N'inoninona mitranga:
Fa miaraka amiko Andriamanitra:
Tompon'ny tany sy ny lanitra.

Tsapako foana;
N'inoninona fotoana:
Fa momba ahy ny avo,
Na malahelo aho na ravo.

Tsapako hatrany;
Na hangidy na ho mamy
Fa miahy ahy ny mpamonjiko:
Ka Izy hany no vonjiko.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1241 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0282