FIAINANA HAFA. (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINANA HAFA.

Maro mpaniry ny zavatra tsara;
Nefa ny zavatra rehetra manana anjara.
Tsy nisy naniry ny hahazo ny ratsy:
Fa rehefa sendra ny tokoa de voatery mihafy.


Izay mivarilavo no adala indrindra;
Fa ezahana arenina ary koa arindra:
Ny fiainana iainana isan'andro.
Mba hibaliaka mazava ho feno masoandro.

Ataovy ao an-tsaina;
Fa sarotra ny miaina.
Tsy vitan ny hakamoana
Sy finoanoam-poana.
Fa mila mioitra, mila miasa:
Raha te hahomby sy te ho tafa.

Velomy ao am-po,
Aza avela ho lo:
Ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana.

Tadidio lalandava:
N'inoninona mitranga.
Ny Tompo eo foana;
N'inoninona manoloana,
Na oviana koa fotoana.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
1416 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144