FIONONANA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIONONANA!

Ampianaro mionona re ny foko!
Mba hatoky anao foana ry Tompo.
Ka hahay hanaiky sy hanompo,
Ary hitraka hatrany; tsy hitoloko.

Ampianaro mionona ny saiko!
Mba hatoky anao re ry Raiko.
Ka hahay ho tony sy handefitra;
Ary ho matotra fihetsika.

Ampianaro mionona ny fanahiko!
Amin-javatra tokony tsy ho sahiko.
Omeo fanahy tsara avy aminao;
Mba hanoro zay tokony hatao.

Ampianaro mionona ny vatako!
Tsy hanaonao foana @zay tsy fantatro;
Fa hahay hitondra tena;
Amin'ny lalam-pahendrena.

Ny fo, ny saina, ny vatana, ny fanahy:
Omeo fiononana tsy ho be ahiahy.
Hiaina sy hiaraka aminao lalandava;
Na inon-kidona na inon-kitranga.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1396 1
Mpakafy: onitrakely
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154