FITIA ADALADALA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA ADALADALA!

Fitia adaladala;
Tsy mba maro mpahalala:
Ny fitiavako anao ry malala,
Ka sarotra fafana.

Fitia adaladala;
Tsy mba hay norarana:
Ny fitiavako anao ry malala,
Ka sarotra ialana.

Fitia adaladala;
Tsy mba mahay mankahala:
Ny fitiavako anao ry malala,
Ka tsy misy fiafarana.

Fitia adaladala;
Tsy mba resim-pahantrana:
Ny fitiavako anao ry malala
Ka sanatria raha izay hiala.

Fitia adaladala;
Mahay manome ny tsara:
Ny fitiavako anao ry olon-tiako,
Ka tsy hatakaloko na hariako.

Fitia adaladala;
Mahay mionona tsy hizara:
Ny fitiavako anao ry olon-tiako,
Ka tsy hafoiko fa hiafiako.

Mody lazaiko hoe adaladala;
Na dia niaraha-mahalala:
Fa mendrika sy tsara,
Raha misy ny mitsara.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2220 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107