FITIAVANA (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Andriamanitra Fitiavana."


Fitiavana no anarany.

Izay miady tsy mba namany.

Izay mitambatra no mahery.

Izay misaraka dia very.


Izy ilay manova ny zavatra rehetra;

Izy ilay tsy voafetra;

Izy ilay mampifandray;

Izy ilay maharitra mandrakizay.


Fitiavana no iantsoana azy.

Tsy mba namany izay miady.

Tsy misy natao hanana ny ampy;

Fa sambatra izay mahay mifanampy.


Izy ilay ilain'ny olona rehetra;

Izy ilay tsy voafetra.

Izy ilay anaran'Andriamanitra;

Izy ilay tsy miova fa maharitra.


Izy ilay fitiavana;

Izy ilay mampihavana.

Izay anjakan ny fifankatiavana;

Dia anjakan'Andriamanitra.

Satria Andriamanitra dia fitiavana.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
1768 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017