FITIAVANA sa VOLA AMAN-KARENA? (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana sa vola aman-karena!

Raha ny fitiavana no afototra amin'ny vola aman-karena!
dia tsy maitsy ho hita taratra ao ilay fitiavan-tena.
ka na ho ela na ho haingana de ho hita soritra eny foana;
satria hiseho ny marina rehefa hifandimby ilay fotoana.

Rehefa tsy ao ve ilay harena de tsy ho ao koa ilay fitiavana?
satria ny fitiavan-tena no hibaiko ilay finiavana!
ka na ho ela na ho haingana de ho fantatra eny ihany;
satria hibaribary rehefa mangidy sy tomany.


Rehefa sendra tsisy ve ny vola de tsy hisy koa ilay fitiavana?
ka tsy afa-hiaraka hidola raha tsy manana ilay havana!
fa na ho ela na ho haingana de tsy maitsy hisy koa izany;
satria mivadibadika ny fiainana eto an-tany.

Tsy ny vola ihany anefa no atao hoe harena:
fa misy zava-tsarobidy izay mety iniana tsy jerena,
ka takona eo imaso ary tsy fantatra sy tsy tsapa:
dia ireo toetra sy fanahy sarobidy ao amin'ny hafa.

Fa de sarotra ve ny mampanjaka ilay fitiavana!?
na dia tsy misy vola aman-karena hita soritra sy tazana!
Tsy misy mantsy ny olona natao hanana ny ampy;
fa sambatra tokoa izay mahay mifanampy.

Tsy ny vola na ny harena akory no mahasambatra!
fa ny fahaizana miara-miaina amin'ny hafa mba hitambatra.
Koa ampanjakao ny fitiavana!
raha te ho sambatra sy hiadana.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
1707 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107