FITIAVAN'ANDRIAMANITRA (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Fitiavan'Andriamanitra!"

Fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao.
No nanirahany ny zanany mba ho ahy sy ho anao.
Nahafoizan ny ainy na de tsy nanan-tsiny.
Mba hamelona antsika ilay olon-tiany.

Fitiavan'Andriamanitra an 'izao tontolo izao.
No namindrany fo ho ahy sy ho anao.
Namelany ny heloka vitantsika hatrizay.
Ka nampanantenany ny fiainana mandrakizay.

Fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao.
No nizarany antsitrapo mba ho ahy sy ho anao.
Ny zavatra rehetra tsy voavidy vola aman-Karena.
Fa maimaim-poana, ampitiavana, tsy noterana.

Fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao.
No mahatoy izao ahy sy ianao.
Fitiavana tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
Fitiavana maharitra mandrakizay:
Ny fitiavan'Andriamanitra Ray sy zanaka sy Fanahy.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
2779 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139