TSY ANJARANAO! (ANDRINIAINA1)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ANJARANAO!

Matoa miady mafy!
de "tsy te ho mafy ady".
Matoa koa mihafy!
de satria tsy maitsy mitady.

Tsy midika ho mahantra;
rehefa sahirana.
k'aza mihomehy sy mandatsa
Na mijery misopirana.

Tsy ianao io akory no manao ny zavatra rehetra;
ka hiseho hitsara na koa hametra.
Tsy ianao no mpandahatra, tsy ianao no mpandidy!
koa aza mihevitra ho mpanapaka na koa mpisafidy.

Ny alahelo tsy zaraina; zakan ny tompony ihany.
ary tsy nitarainana tany aminao akory izany.
Natao hozakaina ny anjara hazofijaliana;.
Natao iainana ny anjara fahoriana.

Ianao mpanenjika io no mbola any aoriana;
zahay enjehinao eo aloha lalandava.
zahay koa mbola mino fa hisy fifaliana;
ary ny rahona sy ny haizina mbola hisava sy hazava.

izahay tsy maitsy mivoatra!
izahay tsy maitsy mandroso!
izahay tsy maitsy mihoatra!
izay tsy maitsy miroso!

Andriamanitra tsy mandao;
fa miaraka aminay foana.
ka ninoninona hataonao;
izahay mijoro foana.

Ianao io no sasa-poana;
lany andro mitsikera!
manaratsy, manenjika anay foana:
Maniry anay mba hianjera!

ANDRINIAINA1
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/andriniaina1/tsy-anjaranao
1883 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRINIAINA1
Nampiditra : ANDRINIAINA1
Daty : 31/07/2014 07:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1754