ILAY FITIAVAKO ANAO! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FITIAVAKO ANAO!

Ilay Fitiavako anao:
no namoizako tsotr'izao;
izao rehetra izao.
ka nivoadiko tsy handao.

Ilay fitiavako anao:
no nanekeko hatramin'zao;
Hanatanteraka sy hanao;
raha mbola misy ny azo hatao.

Ilay fitiavako anao:
no tiako hihavao.
Tsy hosoloina vaovao:
fa tiako hitoetra ho anao.

Ilay fitiavako tato am-poko:
tsy mivadika, tsy miova loko.
Tsy misy fitaka na soloky;
no anorenako ny toky.

Ilay fitiavako anao:
efa nisy hatramin'zay,
ary koa hatramin'zao,
ka ho mandrakizay.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
1790 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121