ILAY SARINAO! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY SARINAO!

Tsara be daholo!
Ireo sarinao feno hafaliana.
Manendrika tontolo;
Satria feno fitsikiana.

Ny endrikao sariaka!
Dia Mendrika aok’zany.
Mamiratra, mibaliaka!
Manendrika ny tany.

Ny fitafinao mihaja!
Dia maotina ihany koa!
Ka sahiko ny milaza:
Fa meva sady soa.

Ny tsikinao mitoetra!.
Dia manaitra fijery
Ka ny sarinao rehetra:
Dia ahitana an’ireny.

Koa sahiko ny manambara:
Fa kanto sady tsara!
Ny sarinao rehetra;
Arahin-tsiky tsisy fetra!

Koa aza gaga na talanjona amin ny zavatra lazaiko!
Fa zay hitako sy marina ihany no notantaraiko.
Aingam-panahy sendra nandalo!
Ka lasa tononkalo.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1395 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139