ITIAVAKO ANAO! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITIAVAKO ANAO!

Itiavako anao ny zavatra rehetra;
Itiavako anao tsy misy fetra.
Ka na ho hafaliana na fijaliana:
Dia ianao foana no tiana.

Itiavako anao ny toetranao tsara;
Mahay mandray, tsy mankahala.
Mahay mananatra sy manoro ny soa.
Mahay mandefitra ihany koa.

Itiavako anao ny endrikao tsy manan-tsahala;
Tsotra, maotina, voakarakara:
Na bika, na fihetsika, na fianjaika;
Manintona, mambabo, manaitra.

Itiavako anao ny fiainanao tontolo:
Mahay mandamina sy mikolokolo;
Tsy tia ady na disadisa na setrasetra.
Fa mahay manaja, mahay mitoetra.

Itiavako anao ny mahay mahery hatrany.
Na ao anatin'ny mangidy na ny mamy.
Mahay miezaka sy mitraka
N'inoninona mihantra.

Itiavako anao ny tsy miova;
Ka mitahiry ny tsara ho lova.
Tsy mba tongan-drombo na taitaitra.
Fa mahay mitony tsy mba maika.

Itiavako anao ny endrik'Andriamanitra ao aminao;
Itiavako anao ny maha olona anao;
Itiavako anao daholo;
Itiavako anao @foko, saiko fanahiko manontolo.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1457 0
Hevitra mandeha
ANDRINIAINA1 ( 14/09/2011 09:15)
Misy hadino:

Itiavako anao koa lay masiaka.
Mahay manohitra sy miditra.
Tsy mankasitraka fanambanimbaniana.
Tsy momba fampijaliana.
...!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139