JERY TODIKA NY LASA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JERY TODIKA!!

Taona maro izay no lasa!
Maro be ireo zavatra nokinasa:
tao ireo tanteraka;
teo koa ireo nandreraka.
Ka nahatrotraka indraindray
nahaosa ny fanahy...

Taona maro izay no nifandimby!
Maro be ireo sedra sy adidy:
tao ireo mba kely vita;
teo koa ireo tsy hita:
tsy hay akory izay nanaovana azy
ka ny saina no nanavy.

Na teo aza izany rehetra izany;
de mbola velonaina ihany;
ka isaorana AZY Mpahary;
Izay rehetra natao ka lavorary.
Mbola hiezaka foana tsy ho kivy
Na ho mamy na hangidy.

Ho avy indray ity ny taona vaovao!
Hiainana an'izao zava-misy rehetra izao.
NY irariana dia hitondra soa;
fivoarana amin ny tsaratsara kokoa.
Angatahana amin Andriamanitra:
Mba ho tody soa sy haharitra;
amin ny zavatra rehetra
ka handresy tsisy fetra.

MIRARY SOA HO AN NY REHETRA!

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
1002 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138