MAHAIZA MISAOTRA NY MPAHARY! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAIZA MISAOTRA NY MPAHARY!


Misaorà ny Tompo raha mbola salama:
ka afaka manao zay mety hatao tsy misy mpandrara
Fa loza ngeh raha sanatria ka marary;
Fa miferinaina ery sy mijaly.

Misaorà ny Tompo amin'ireo zava-tsoa:
Ka afa mitady zay mety mahasoa
Fa loza geh raha sanatria ka marary;
Fa tsy afa-mihetsika, tsy afa-mamaly.

Misaorà ny Tompo raha mbola mahita-tory:
ka afaka miala-sasatra sy mitony
Fa loza ngeh raha sanatria ka marary;
fa mipitrapitra irery, mivandravandra, mijaly.

Misaorà ny Tompo raha mbola tsy kivy:
Ka afaka manantena foana na dia ao antin'ny mangidy.
Fa loza ngeh raha sanatria ka marary;
fa toa tsy afa-manoatra ka tena mijaly.

Misaorà ny Tompo amin'ny zava-drehetra:
Fa indrindra amin'ny FITIAVANY antsika tsy misy fetra
Mivavahà ho an'ireo zay rehetra mety marary;
mba ho hamaivanin'IZY Tompo ny vatana, fo, saina, fanahy: mijaly

Andriamanitra ôh! Misaotra anao izahay
Amin'ny zavatra rehetra nomenao anay tsirairay:
fahasalamana, herim-po, herin-tsaina, herim-panahy
Fa lehibe tokoa ny FITIAVANAO anay
Mamindrà fo aminay,
Mamelà ny fahotana vitanay

Atolotray ANAO: ny fiainanay rehetra
Mba hanjakanao tsy misy fetra.
Satria IANAO ilay TSY MIOVA:
Ka naniry anay mba handova.
Ny fiainana mandrakizay;
miaraka AMINAO RAY.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Aingam-panahy
1342 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158