MAMIKO (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamiko!

Mamiko indrindra,
tsy tiako hafindra:
Ny fitiavanao ry Ray;
fa maharitra mandrakizay.

Tiako hokoloina,
ka tsy tiako hosoloina:
ao AMINAO ilay fitia.
fa iriko haharitra doria.

Mamiko sy tiako;
ary tena iriko:
"ny hiraka aminao,
Ry Tompo tsy mandao!"

Satria mamin'ny foko,
Tsy haiko soloiko:
"ny famonjena vitanao,
ho an'izao tontolo izao!"

Mamiko ka ankasitrahako;
amin'ny foko sy ny fanahiko:
ny hanompo anao tsisy fetra;
amin'ny fiainako rehetra.

Satria ianao irery no Andriamanitra;
Tompo ny tany sy ny lanitra.
Ilay TOKANA, mahery, tsy toha.
Tsy manam-paharoa.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1343 0
Hevitra mandeha
tslem ( 05/04/2012 07:09)
Amen!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144