MANINA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANINA!

Manembonembona aho izany;
Manimanina ny akany,
Mahatsiaro ireo havan-tiana,
Mahatsiaro ny tany niaviana.

Any izay i Dada sy i Neny;
F'izaho ity no toa irery.
Toa tsy mba manan-kitarainana,
fa misedra irery ny fiainana.

Any izay i zoky na i zandry;
F'izaho irery aty, toa tsy tafandry;
Tsy mba manana namana hisangina.
Satria lavitra olon-tiana.

Any izay ireo namana;
F'izaho irery aty, tsy mba manana.
Toy ny olona very.
satria nanirery.

Ny Mahasoa anefa vao ny mahafinaritra!
Ka noho izany tsy maitsy miaritra!
"Ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy!"
Satria izany koa ny fiainana eto an-tany.

Nefa any andro iray;
Mbola hihaona izahay.
Ka amin'izany fotoana izany;
Dia ho tsiky sy ho faly.

Nanembonembona aho izany;
Manimanina ny akany.
Nahatsiaro ireo havan-tiana;
Nahatsiaro ny tany niaviana.

ANDRINIAINA1.

Atolotro ho an'ireo izay lavitra havana, namana, olon-tiana, tany niaviana....!

"Tsy irery akory ianao fa misy mahatsiaro, satria tsy manadino anao ireo havana, namana, sakaiza, olon-tiana, ny tany niaviana....!".
--------
Rohy:
Sokajy : embona
2329 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01