You are here: home > Vetso

MATOKY ANAO AHO RY JESOA! - ANDRINIAINA1

Azo vakiana?

Matoky anao aho ry Jesoa!

Matoky anao aho ry Jesoa;
Tompo mpanome ny soa.
Satria ianao no nilaza:
"Fa hanome anay zay sahaza!"

Matoky anao aho ry Jesoa;
Tompo tsy manam-paharoa.
Satria ianao no niteny:
"Fa tsy hamela anay ho irery!"

Matoky anao aho ry Jesoa;
Tompo mahery tsy toha.
Satria ianao no nanambara:
"Fa hanome anay ny tsara!"

Matoky anao aho ry Jesoa;
Matoky anao tokoa.
Amin'ny zavatra rehetra,
Amin'ny andro tsisy fetra.

Matoky anao ry Jesoa;
Ary mino anao tokoa.
F'ianao irery no mpamonjy ahy:
Amin'ireo fakam-panahy.

Matoky anao aho ry Jesoa;
Ary manantena ihany koa.
Fa miaraka aminay ianao:
Amin'zay rehetra atao.

Matoky anao aho ry Jesoa;
Ary tia anao ihany koa.
Satria ianao efa tia anay:
Hatrizay, hatrizao ary mandrakizay.

ANDRINIAINA1.

Sokajy : finoana, Vavaka