MBA TSY TAZANA KOA MATETIKA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA TSY TAZANA KOA MATETIKA!

Variana nihodina tany ho any!
Nitety ny tany!
ka tsy hita tazana teto;
ka maro ngamba no nisento.

Fa taiza hono ity mpanoratra?
no tsy mba heno nihoraka!
No toa nangina, toa tsy niteny:
sa variana teny ho eny!???

Nandamina zavatra maro!
fa tsy hoe akory:nanadino,tsy nahatsiaro.
de zay le izy!
k'aza atao mahakivy.

Matetika koa mba misy mandraikitra
noho ny adidy sy ny andraikitra!
koa aza faly ny hanome tsiny;
fa tsy de hoe sitra-po ny amin'iny!

Mirary soa ho an'ny rehetra!
amin'y zavatra tsy misy fetra!
mankahery ihany koa!
amin'ny fitadiavana ny soa!

Mahereza hatrany!
amin'ny hatao rehetra eto an-tany!
Mazotoa ihany koa!
mikatsaka izay mahasoa!


"satria ngeh ny fiainana
natao hiainana!"
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
955 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015