You are here: home > Vetso

MIRARY SOA 2! "BONNE ANNEE 2014!" - ANDRINIAINA1

Azo vakiana?

MIRARY SOA!

"Tratry ny taona vaovao 2014"

Mirary soa aho ho anao!

Ho an'ny taona rehetra vaovao:

Mba ho lava andro iainana;

Ka hilamina fiainana.

Ho feno fahasalamana;

Ho feno fahazavana.

Mirary soa aho ho anao!

Ho an ireo andro mbola hiainanao:

Mba handresy lalandava;

N'inoninona hitranga.

Ho tody soa fa tsy ho rendrika;

Ka hahazo ny toerana mendrika.

Mivavaka aho mba ho anao!

Ho an'ny zavatra rehetra hatao:

Mba ho vita soa aman-tsara;

Ka hampivoatra izay hiafarana.

Homba anao anie ny Tompo Mpahary!

Ka hitantana anao ho lavorary.

Mirary soa aho ho anao!

Amin izay rehetra kasainao:

Mba hahazo izay irina;

Ka hahita izay tiana.

Iriko haharitra anie izany!

Amin ny fiainanao eto an-tany.

Mirary soa aho ho anao!

Mba hiaina fiainam-baovao:

Fiainana feno fitsikiana;

Mandresy ny fahakiviana.

Fiainana feno finoana;

Mandresy ny hakamoana.

Fianana anjakan'ny fitiavana;

Mandresy ny fankahalana.

Fianana feno fahasambarana...

ANDRINIAINA1