MITIA NY TSY FANTATRA NA TSY HITAN'NY MASO AKORY! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITIA NY TSY FANTATRA NA TSY HITAN'NY MASO AKORY!

Afaka milaza aho fa "tiako ianao!"
satria izaho hany no mahalala ny ao anatiko ao!
Ianao koa afaka tsy mino izay lazaiko:
raha toa ka tsy ilainao ohatra ny zavatra tantaraiko.

Tsy hanome tsiny anao aho na koa hanakiana;
satria fantatro fa tsy voatery hotanteraka izay irina!
izaho hany tsinona no mahalala ny ao am-poko ao
ka izany no ahasahiako milaza fa "tiako ianao!"

Na hino izany ianao na tsia!
de izaho hany no mahalala fa tia!
ianao koa tsy tereko hanaiky izay iriko;
fa fantatro fotsiny de ianao aloha tiako.

Na tsy hanaiky ny fisian'zany ianao, tsy misy tsiny!
fa zah ihany no mahalala ny ao am-poko sy izay iriny.
haiko ny mionona amin'ny zavatra rehetra;
k'aza asina eritreritra ny fitiavako mitoetra.

Na haneso ahy ianao na hihevitra ahy ho adala;
de izaho ihany no afaka hahafantatra sy hahalala:
Ny ao anatiko, sy ny am-poko, ary ny ao an-tsaiko!
ka ny zava-misy hany no ambarako sy lazaiko.

Afaka milaza aho fa "tiako ianao!"
na dia tsy hitako na tsy fantatro akory hatramin'zao!
satria izaho hany no afaka mahatsapa ny ao anatiko ao;
fa rehefa misy anao aho; tsy haiko avy zay hatao.

Ianao koa afaka mihevitra zay tinao any!
f'izaho koa tsinona tsy halahelo na hitomany;
haiko foana ny mampionona ny foko;
raha sendra alahelo, na sento na toloko.

Aza asina alahelo koa raha ny amiko!
fa matoa koa tonga amin'ny fiainako de natao mba ho tantiko.
zay angamba no anjara hazofijaliako
ka ezahako zakaina ary koa ihafiako.

Mirary soa aho ho anao
amin'izay rehetra atao:
mazahoa izay irina;
mahità izay hifaliana.

Afaka manome tsiny ahy ianao!
raha zay koa no tinao!
zah tsy hibedy;
na lazainao fa mirediredy.

Mety misy tia ahy koa angamba any ho any,
na dia tsy fantatro eto aza izany!
na dia tsy hitako eto aza androany!
zah aloha mino ny fisian'zany

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
2273 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099