NA NISY NA MISY NA HISY...! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA NISY, NA MISY NA HISY...!

Na nisy aza ireo andro lasa;
tsy naha to izay nokinasa:
Dia mbola matoky sy manantena;
fa mbola misy foana ny famonjena.

Na nisy aza ireo zava-natao;
tsy tontosa teo amin ny fiainanao:
Dia mbola miezaha hatrany;
fa tsy maitsy ho azonao ny mamy.

Na misy aza ireo ady maro;
olana sy sedra mifangaro:
Dia mivonona lalandava;
hiatrika izay rehetra mitranga.

Na misy aza ireo manenjika tsy tia;
Maniry anao mba hania:
Dia mijoroa foana ary aza malaina;
fa tsy maitsy ho avy ilay maraina.

Na hisy aza izay hamingana;
higafy, hamono; handringana.
Matokia ny Tompo ianao:
Fa IZY TSY MBA HANDAO
Tsy hamela anao ho irery
Tsy hanaiky anao ho very.

Tano mafy ilay finoana;
fa io ilay andry ijoroana.
Iaino ary araho asa!
fa tsy maitsy ho tody sy ho tafa.

Mahereza, miezaha, aza kivy:
Ataovy, tontosao ireo adidy.
Mivoara,mirosoa...
amin ny tsaratsara kokoa.

Vitako, vitanao, vitantsika izany.
Koa mitsangana, mijoroa hatrany.
Ho menatra ireo izay tsy tia:
Rehefa miroso, mivoatra, mihatsara ny dia.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
1066 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141