NAMANA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namana

Namako tsy foiko
Tsy haiko hadinoiko;
Ianao
Namako hatrany
Na hangidy na ho mamy
N’inoninona hatao.

Namako foana
N’inoninona fotoana;
Ianao
Namako lalandava
N’inoninona hitranga;
Hatramin’zay ka hatramin’zao.

Koa iriko ato am-poko;
Mba tsy hiova loko:
Ny fifandraisantsika.
Iriko haharitra hatrany;
Mandritry ny fiainana eto an-tany
Ka hatrany am-paradisa.

Koa hangatahintsika izy Ray;
Mba hampihavana sy hampiray,
Antsika rehetra
Ka fifankatiavana mirindra
Kanto;raitra;tsara indrindra
No ifandraisantsika tsy misy fetra.

Dia matokia isika k’aza miahotra
Mirosoa f’aza matahotra
Ny Tompo momba ahy sy ianao
Amin’izay rehetra atao
Koa aza manana ahiahy
Fa mijoroa mba ho sahy.

Mazotoa koa isika k’aza kivy ;
Manatontosa ireo adidy
Aza atao hankahia
Raha misy ireo mpanenjika tsy tia.
Mahaiza miaina ampifaliana
Ary koa ampitsikiana.
Ny onjam-piainana.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1364 1
Mpakafy: onitrakely
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141