NGAH moa FANAHINIANA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ngah moa fanahiniana!!??

Ngah moa fanahiniana:
Ny ho tia na ho tiana,
Satria tsy niantso na nitady,
Fa tongatonga ho azy.

Ngah moa fanahiniana:
Ny nalaina na nariana,
Fa ny fitiavana na ny fankahalana;
No nisehony tamin'ny tantara.

Ngah moa fanahiniana:
Ny harena na ny tsy fisiana,
Fa samy manana ny anjarany,
Samy manana ny tantarany.

Ngah moa fanahianiana:
Ny alahelo na ny hafaliana,
Fa rehefa ho tonga izy dia avy;
Na tsy naniry na nitady.

Ngah moa fanahiniana:
Ny tsy hahazo izay nirina,
Fa rehefa zay moa no izy;
Dia mionona k'aza kivy

Ngah moa sitra-po:
Refa ho avy ny tokoa;
Fa na ho tsiky na tomany,
D'efa zay zany.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - fiainana
1336 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145