You are here: home > Vetso

NGAH MOA REHEFA TIANA DE MISEO MAMILAFILA! - ANDRINIAINA1

Azo vakiana?

Ngah ve!?

Ngah ve rehefa tiana!?
Dia mampijaly sy mampifila!
ka tsy mba asiana tambitamby;
rehefa misy mba miangavy.

Ngah ve rehefa hajaina!?
Dia mampiferinaina!
ka tsy mba asiana firaharahiana;
rehefa mba natao hoe tiana.

Ngah ve rehefa tsara kely!?
Dia miavonavona tsy miteny!
ka tsy asiana topi-maso akory:
izay mijaly sy oriory.

Ngah ve rehefa mba sendra manana!?
Dia tsy mahalala ireo namana!
satria hoe ampy ny eo an-tànana;
ka manadino ny fihavanana.

Ngah ve rehefa ileferana!?
Dia miseo manapatra hatezerana!
ka tsy mahay mamela intsony;
satria tsy mba afaka hitony.

Ngah ve rehefa tonga amin'ny avo!?
Dia manao tsindrio fa lavo!
ka manitsakitsaka ny hafa;
rehefa mba nambinina sy tafa.

Ngah ve rehefa tsy tiana!?
Dia natao hoaratsiana!
satria tsy mitovy amin'ny tena;
ka natao tsy hojerena.

Ngah ve rehefa mahantra!?
dia natao tsy hisy hiantra!
Mivadibadika anie ny eto an-tany;
ka ny ambony mety mbola ho ambany.

koa mba jereo ihany ny hiafarana:
sao hanenenana any afara!
N'inoninona toeranao;
Dia mba diniho tsara izay hatao.

Mahaiza miaraka amin'ny hafa;
raha te ho tody sy ho tafa!
satria tsy misy natao hahavita-tena:
Raha mbola eto an-tany no jerena.

ANDRINIAINA1















Hevitra mandeha

mirananirina (01/06/2012 10:22:52)

Mihaiky aho,mahay mht ianareo ka,izaho isan'ny mpankafia itony tononkalo itony!Bravo

Herve2012 (09/06/2012 20:55:27)

Marna zany e!

Hametraka hevitra

Midira aloha